SS 9 3T 2017

LESONA 9

19 - 25 AOGOSITRA

NY FIANTSOANA NATAON'I PAOLY

LESONA 1 SAB ALAH LAT TAL ALAR ALAK ZOM

SABATA HARIVA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gal. 4:12-20; 1 Kôr. 11:1; Fil. 3:17; 1 Kôr. 9:19-23; 2 Kôr. 4:7-12.

Tsianjery: “Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy hianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory hianareo” – Gal. 4:12
    
Hatreto dia hitantsika ny fampiasan’i Paoly teny mahery vaika tamin’ireo Galatianina; izany anefa dia maneho ny fiheverany lalina ny hahatsara ny ara-panahin’ny fiangonana naoriny. Ny epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Galatianina dia maneho ny maha-zava-dehibe ny fampianarana marina. Raha toa tsy zava-dehibe ny finoana marina sy ny asa marina, nahoana àry i Paoly no nanisy lanja izany tao anatin’ny epistiliny? Raha ny marina dia tena manan-danja tokoa izay inoantsika sy izay ataontsika, indrindra mikasika ny filazantsara.
    
Manohy ny resany i Paoly ao amin’ny Gal. 4:12-20, saingy somary novainy ny fomba firesahany ny lohahevitra. Marobe ny hevitra novoaboasana sy ara-teôlôjia nentin’i Paoly nandresen-dahatra ireo Galatianina ny amin’ny fahadisoan’izy ireo, fa amin’izao kosa izy dia manao antso na fangatahana amin’ny  tsirairay. Tsy tahaka ireo mpampianatra sandoka izay tsy nihevitra ireo Galatianina i Paoly, fa naneho ny tebitebiny, ny fiheverany, ny fanantenany ary ny fitiavany azy ireo, tahaka ny ataon’ny mpiandry tsara amin’ny ondriny. Tsy hoe nanitsy ny finoana diso tao amin’izy ireo fotsiny ihany i Paoly, fa nanompo ireo izay tiany koa.

Pejy ambony

 

ALAHADY


NY FON’I PAOLY (Gal. 4:12-20)
    
Vakio ny Gal. 4:12-20. Inona no tena asongadin’i Paoly amin’ny hafatra ambarany ao amin’ireo toko sy andininy ireo?
    
“Mangataka” ireo Galatianina i Paoly “ho tonga tahaka” azy. Izany antso izany dia maneho ny fiheveran’i Paoly ireo Galatianina, izay mavesa-danja tokoa ao am-pony. Dikan-teny maro amin’io andininy io no tsy tena mahatakatra amin’ny fahafenoany ny lanja sy ny tena hevitry ny hoe “mangataka”. Mampalahelo izany satria manan-karena tokoa ny hevitr’io teny io. Deomai izany amin’ny teny Grika, izay azo adika hoe “mananatra”, saingy mafonja noho izany ny hevitry ny teny Grika izay ahatsapana fahadisoam-panantenana (vakio ny 2 Kôr. 5:20; 8:4; 10:2). Tena miteny mihitsy i Paoly hoe: “mitalaho aminareo aho”.
    
Mihoatra noho ny fampianarana marina ny zavatra nampitebiteby an’i Paoly; tena nifandray akaiky indrindra tamin’ireo Galatianina ny fony. Izy rahateo no nitondra azy ireo ho eo amin’i Kristy, izy no rain’izy ireo ara-panahy. Tsapan’i Paoly fa tahaka ny tebiteby sy fahorian’ny reny eo am-piterahana no tsapany ho an’ireo Galatianina (Gal. 4:19). Nihevitra izy fa efa ampy izay nataony tamin’ny “niterahany” ara-panahy ireo Galatianina, saingy izao dia niala tamin’ny fahamarinana izy ireo. Nataon’i Paoly izay hahazoana antoka fa nateraka indray tao amin’i Kristy izy ireo, koa niaritra indray ny hararin’ny “fiterahana” izy ho azy ireo.
    
Vakio ny Gal. 4:19. Inona no vokatra tian’i Paoly ho hita raha naharary indray tamin’ny fiterahana izy ho azy ireo?
    
Voalohany, dia manohatra ny Galatianina amin’ny zaza mbola ao an-kibo i Paoly. Avy eo izy dia miresaka mikasika azy ireo tahaka ny hoe izy ireo no reny efa hiteraka. Ny teny “hary” ao amin’ny and. 19 dia nampiasaina mba hilazana ny fitomboan’ny zaza ao an-kibon’ny reniny. Mampiasa io sarin-teny io i Paoly hilazana ny hevitry ny hoe Kristianina. Tsy mikasika ny finoana fotsiny ihany izany fa mahakasika ny fiovana tanteraka koa. Tsy nitady “fiovana kelikely tao amin’ireo Galatianina i Paoly. Fiovana lehibe no niriny mba hahitany an’i Kristy rehefa mijery azy ireo.” – Galat, t. 142.
    
Fomba ahoana no nahitanao ny famirapiratan’i Kristy teo amin’ny fiainanao? Lafiny inona no mbola ilànao fitomboana eo amin’ny fiainanao?
 


Pejy ambony

ALATSINAINY


NY OHATRA NASEHON’I PAOLY (1 Kôr. 11:1)
    
Vakio ny 1 Kôr. 11:1; Fil. 3:17; 2 Tes. 3:7-9; ary ny Asa. 26:28,29. Inona no lazain’i Paoly ao anatin’ireo toko sy andininy ireo izay aseho ao amin’ny Gal. 4:12? Manao ahoana no tokony ho fahatakarantsika ny hevitra ambaran’i Paoly?
    
Imbetsaka i Paoly no mamporisika ny Kristianina ao amin’ny epistiliny mba hanaraka ny ohatra asehony. Maneho ny tenany ho ohatra ny amin’ny fiainana tokony harahin’ny mpino mandrakariva i Paoly amin’ny toe-javatra tsirairay. Ao amin’ny 2 Tes. 3:7-9, dia milaza ny amin’izay tokony ho fiasan’ireo mpino tany Tesalônika izy. Tokony hiasa ho an’ny tenany izy ireo mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny hafa. Ao amin’ny 1 Kôr. 11:1, dia nangataka ny Kôrintianina i Paoly mba hanao tahaka azy amin’ny fametrahana ho lohalaharana ny fanirian’Andriamanitra. Hita ho somary samy hafa amin’izany anefa ny tebitebin’i Paoly ao amin’ny epistily nosoratany ho an’ny Galatianina.
    
Ao amin’ny Gal. 4:12, dia tsy mangataka ny hanaovan’ny Galatianina izay ataony izy, fa ny hanahafan’izy ireo azy. Miresaka momba ny tokony ho toetra i Paoly fa tsy izay tokony hatao. Nahoana? Ny olana nisy tany Galatia dia tsy mikasika ny fitondrantena tsy mety na fiainana tsy araka an’Andriamanitra, tahaka ny tao amin’ny fiangonana tany Kôrinto. Ny olana tany Galatia dia niorina tamin’ny zava-dehibe ivon’ny maha-Kristianina mihitsy. Momba ny “toetra” kokoa izany fa tsy “fitondrantena” loatra. Tsy nilaza i Paoly hoe “ataovy izay ataoko”, fa hoe “aoka ho tahaka ahy”. Ny teny nampiasain’i Paoly ao amin’ny Gal. 4:12 dia hita koa ao amin’ny fangatahana nataony tamin’i Herôda Agripa II ao amin’ny Asa. 26:29. Izao no nosoratan’i Paoly tao: “Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy hianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany.” Ny finoan’i Paoly sy ny fanandramana niainany dia nitoetra tao amin’izay nataon’i Kristy ho azy, fa tsy amin’ny asany. Ireo Galatianina dia nanome tombambidy lehibe ny asa mihoatra ny toetrany ao amin’i Kristy.
    
Na dia tsy nofaritan’i Paoly mazava aza ny tiany hanahafan’ny Galatianina azy, dia mampiseho ny tontolon-kevitra ao amin’ny epistily fa tsy ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’i Paoly tsy akory no resahiny amin’izany. Ny tian’i Paoly hotahafin’izy ireo dia ny fitiavany, ny fifaliana, ny fahafahana ary ny fitokiana ao amin’i Jesôsy mba hamonjy azy. Zava-dehibe mihoatra noho ny zava-drehetra ny fahafantarana an’i Jesôsy (Fil. 3:5-9).
    
Iza koa no fantatrao fa ohatra tsara (ankoatra an’i Jesôsy)? Inona no mahatonga ny olona iray ho ohatra tsara? Ny hatsaram-panahy ve, sa ny fifaliana, ny fahavononana hanampy ny hafa? Ahoana no hahafahanao maneho bebe kokoa ireo eo amin’ny fiainanao?
 

Pejy ambony

TALATA


“IZAHO KOA MBA EFA TONGA TAHAKA ANAREO” (Gal. 4:12)
    
Vakio ny 1 Kôr. 9:19-23. Inona no ambaran’i Paoly ao amin’ireo toko sy andininy ireo izay manampy antsika hahatakatra izay tiany hambara ao amin’ny Gal. 4:12? (Vakio koa ny Asa. 17:16-34; 1 Kôr. 8:8-13 ary ny Gal. 2:11-14).
    
Mety somary manahiran-tsaina ny fahitana ny Gal. 4:12. Ao, ohatra, ny filazan’i Paoly amin’ny Galatianina ny mba hanahafan’izy ireo azy. Nahoana moa ireo Galatianina no ho tonga tahaka an’i Paoly kanefa izy aza tonga tahaka azy ireo?
    
Omaly isika dia nianatra fa tian’i Paoly raha ho tahaka azy amin’ny finoana sy ny fitokiana amin’i Kristy mba hamonjy azy ny Galatianina. Nolazain’i Paoly tamin’ny Galatianina fa efa tonga tahaka azy ireo izy. Ny filazany fa tahaka azy ireo izy dia fampahatsiahivana azy ireo, fa na dia Jiosy aza izy, dia “nanjary” Jentilisa mba hahafahany manatratra ny Jentilisa amin’ny filazantsara. Izy no ilay misiônera lehibe nirahina ho amin’ny Jentilisa. Nianatra nitory ny filazantsara tamin’ny Jiosy sy ny Jentilisa izy. Ny 1 Kôr. 9:19-23 dia milaza amintsika fa tsy niova ny filazantsara notorin’i Paoly, saingy fomba samy hafa no nampiasainy mba hanatrarana olona samihafa.
    
“Mpamaky lay i Paoly. Tsapany fa ilainy ny mampita ny filazantsara amin’ny hafa ka hitenenany araka ny tontolon-kevitra misy ny olona ilazany izany.” – NAC, t. 321.
    
Ny teny nambaran’i Paoly ao amin’ny 1 Kôr. 9:21 dia maneho fa ninoany ny fisian’ny fetra amin’ny ahafahan’ny olona iray mampifanaraka ny filazantsara amin’ny lafim-piainana rehetra. Ohatra amin’izany ny fahafahan’ny olona iray manatratra amin’ny fomba samy hafa ny Jiosy sy ny Jentilisa, saingy izany fahafahana izany dia tsy midika ho fananan-jo handika ny lalàn’Andriamanitra. Nahoana? Satria ny Kristianina dia eo ambanin’ny “lalàn’i Kristy”.
    
Tsy mora mandrakariva ny fanehoana ny maha-zava-dehibe ny filazantsara amin’ny lafim-piainana rehetra, nefa “tokony hanao izay nataon’i Paoly isika mba hanehoana amin’ny hafa fa mifanaraka amin’ny lafim-piainana rehetra izany.” – Timothy George, tt. 321,322.
    
Mora tokoa ny manao marimaritra iraisana, sa tsy izany? Efa nanao marimaritra iraisana ve ianao teo amin’ny fiainanao? Inona no fialan-tsiny nataonao tamin’ny nanaovana izany? Inona no azonao atao hanovana izany?
 


Pejy ambony

ALAROBIA


TAMIN’IZANY SY AMIN’IZAO (Gal. 4:13)
    
Tsy sarotra sy nangatsiaka hatrany akory ny fifandraisan’i Paoly sy ny Galatianina. Misaintsaina ny fotoana nitoriany ny filazantsara voalohany tany Galatia i Paoly, ary midera ny Galatianina izy noho ny fandraisana tsara nataon’izy ireo azy. Inona àry no nitranga?
    
Vakio ny Gal. 4:13. Inona no nitarika an’i Paoly hitory ny filazantsara tany Galatia?
    
Tamin’ny voalohany dia tsy nihevitra ny hitory ny filazantsara tany Galatia i Paoly, saingy narary izy. Nahatonga azy ho voatery hijanona maharitraritra tany Galatia izany, na koa mety ho nankany izy mba hahatsara kokoa ny fahasalamany. Tsy dia azontsika antoka loatra ny aretina nahazo azy. Ny olona sasany dia nihevitra fa azon’ny tazo mahery i Paoly, ny sasany kosa mihevitra fa aretin’ny maso no nahazo azy (izany dia miorina amin’ny fahalalana fa ho neken’ny Galatianina ny hanaisotra ny masony ka hanome izany ho azy). Mety misy nifandraisany amin’ny “tsilo tamin’ny nofo” izay voalazany ao amin’ny 2 Kôr. 12:7-9 koa izany aretina izany, araka ny finoan’ny hafa.
    
Na inona na inona aretina nahazo an’i Paoly, dia nolazainy fa ratsy izany ka nanjary zava-tsarotra ho an’ireo Galatianina. I Paoly dia niaina tao amin’ny toerana izay niheverana fa famantarana ny fahatezeran’Andriamanitra ny aretina (Jao. 9:1, 2; Lio. 13:1-4). Azon’ny Galatianina noraisina ho fialan-tsiny hanosehana an’i Paoly sy ny hafatra nentiny ny aretina nahazo azy, saingy nandray tsara an’i Paoly izy ireo. Nahoana? Nohafanain’ny fitoriana nataon’i Paoly mikasika ny hazo fijaliana ny fon’izy ireo (Gal. 3:1). Inona àry no antony nampiova ny fon’izy ireo amin’izao?
    
Vakio ny Rôm. 8:28 sy ny 2 Kôr. 4:7-12; ary ny 2 Kôr. 12:7-10. Inona no azo heverina ho antony namelan’Andriamanitra an’i Paoly ho azon’aretina? Ahoana no nahafahan’i Paoly nanampy ny hafa raha teo am-pitolomana tamin’ny olana nahazo azy izy?
    
Tena narary tokoa i Paoly, azony natao ny nanao izany ho fialan-tsiny hanomezana tsiny an’Andriamanitra. Azony natao koa ny nijanona tsy nitory intsony, saingy tsy nisy nataony izany. Vao mainka aza izy nitoky bebe kokoa tamin’ny famindrampon’Andriamanitra. “Imbetsaka Andriamanitra no mampiasa hatrany ny fahasarotana eo amin’ny fiainana hanehoana ny famindrampony. Asehony antsika izany mba hanampy amin’ny fanapariahana ny filazantsara.” – Galati, tt. 323,324.
    
Ahoana no hianaranao hamela ny fizahan-toetra sy ny fahoriana hampiankina anao bebe kokoa amin’Andriamanitra?


Pejy ambony

ALAKAMISY


MILAZA NY MARINA (Gal. 4:16)
    
Vakio ny Gal. 4:16. Inona no teboka manan-danja ambaran’i Paoly ao amin’io toko sy andininy io? Nanao ahoana ny mety ho niainanao zavatra mitovy amin’izay nahazo an’i Paoly? (vakio koa ny Jao. 3:19; Mat. 26:64,65; ary ny Jer. 36:17-23)
    
Ny fiteny hoe “milaza ny marina” dia matetika manana heviny tsy dia tsara loatra, indrindra amin’izao fotoana iainantsika izao, rehefa jerena amin’ny maha fomba iray mahery vaika, mivantambantana ary tsy mitsitsy azy amin’ny filazana toe-javatra iray amin’olona, na dia ratsy sy tsy mahate handre aza izany. Mety hisy hanana fahadisoan-kevitra hoe ny fahalianan’i Paoly amin’ny fahamarinan’ny filazantsara ihany no hany zavatra heveriny. Ny hafa aza mety ho nino mihitsy fa tsy nahatsapa ho nila niteny tamim-pitiavana i Paoly, saingy izay lazainy ao amin’ny Gal. 4:12-20 sy ny Gal. 6:9,10 dia mampiseho antsika fa diso izany fiheverana izany. Niriny tokoa ny hahafantaran’ny Galatianina ny filazantsara, saingy tiany raha mianatra momba izany izy satria tia azy ireo izy. Efa nisy fotoana ve nahatsapanao alahelo satria voatery hanasazy olona iray ianao na hilaza aminy zavatra tsy iriny ho heno? Lazaintsika aminy ihany anefa ny marina ary sazintsika ihany izy satria tiantsika, fa tsy faniriana handratra azy tsy akory. Misy fotoana mety hahatonga ny teny ataontsika handratra ireo izay tiantsika, mety ho tezitra amintsika ilay olona amin’izay, lazaintsika ihany anefa ny marina. Manao izany isika satria fantatsika fa ilain’izany olona izany ny mandre ny marina, na dia tsy tiany aza izany.
    
Vakio ny Gal. 4:17-20. Inona no ambaran’i Paoly ao amin’ireo toko sy andininy ireo momba ireo olona toheriny? Manohitra ny fampianaran-diso ataon’izy ireo izy, inona koa no toheriny?
    
Nanao izay hiodinan’ny Galatianina tamin’i Paoly ireo fahavalony. Niseho ho sakaizan’ny Galatianina ireo mpampianatra sandoka kanefa tsy tia azy ireo akory. Tsy dia voafaritra loatra ny tian’i Paoly hambara rehefa nilaza izy hoe “fa tiany hosarahina amiko ianareo” –and. 17 (DIEM). Azo heverina angamba fa ny tian’ireo fahavalon’i Paoly hatao dia ny hanaisotra ny tombontsoan’ny fahamarinan’ny filazantsara tsy ho amin’ny mpino Galatianina.
    
Eritrereto ny fotoana nilazanao ny marina ka nahatonga ny olona iray ho tezitra taminao. Inona no lesona notsoahinao avy tamin’izany fanandramana izany izay hanampy anao hiteny amim-pitiavana amin’ny fotoana manaraka rehefa hilaza ny marina amin’olona iray?



 Pejy ambony


ZOMA


FIANARANA FANAMPINY:
“Naka ny toeran’ny hafatry ny filazantsara ny fahadisoan-kevitra nibaribary tafiditra tao amin’ny fiangonana tany Galatia. Tena nailika tsy ho ao amin’ny fivavahana mihitsy Kristy, Ilay fototra marina amin’ny finoana, ka ny fampianarana lany andro teo amin’ny finoan’ny Jiosy no nanjaka. Fantatr’i Paoly fa mba hahazoana mamonjy ny Galatianina tsy hanjakan’ny loza mananontanona azy, dia tsy maintsy nampiasa fomba haingana dia haingana sy fanoherana mahery vaika indrindra izy.
    
Ohatra tokony halain’ny mpitondra fiangonana tahaka izany raha te hiezaka hampifanandrify ny asany amin’ny toe-piainan’ny mpino ao aminy izy. Samy ilainy avokoa na ny fanehoam-pitiavana, na ny fahari-po, na ny fahaizana manapa-kevitra haingana, na ny fahenjanana, kanefa tokony hitandrina tsara izy amin’ny fampiharana izany. Mba hisian’ny hery tsara hiasa eo amin’ny toetra samihafa, eo anivon’ny toe-javatra samihafa, dia tsy maintsy miasa amim-pahendrena izy, ka hanana saina mahiratra sy nohamasinin’ny Fanahin’Andriamanitra (...)
    
Niangaviany ireo izay efa nahatsapa teo aloha ny herin’ny Mpanavotra mba hiverina indray eo amin’ny fitiavany voalohany. Tamin’ny fonjan-kevitra tsy azo notoherina no nampahatsiarovany azy ny tombontsoa nomen’Andriamanitra azy tamin’ny fahafahana azony tamin’ny alalan’i Kristy. Avy tamin’ny nanoloran’i Kristy ny Tenany, hoy izy, no ahazoan’izay rehetra manolo-tena tanteraka eo aminy ny hotafina amin’ny akanjom-pahamarinany. Nolazainy fa na iza na iza maniry famonjena dia tsy maintsy manao fanandramana ho an’ny tenany hivelona araka an’Andriamanitra.
    
Ny fiangaviana tamin-kafanampo nataon’i Paoly dia tsy very maina akory. Niasa mafy tao am-pony ny Fanahy Masina, ka izay efa nirenireny teo amin’ny lalan’ny fahadisoan-kevitra dia niverina indray ho eo amin’ny finoana ny filazantsara. Hatramin’izay dia nijoro tsara tao amin’ny fahafahana tao amin’i Kristy ny Galatiana (...)” – VM, tt. 337,339,340.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1.    Saintsaino bebe kokoa ny amin’ny fahoriana. Ahoana no fiatrehantsika ny toe-javatra rehefa hita fa toa tsy misy zava-tsoa azo avy amin’ny fahoriana?
2.    Midika inona ny hoe monina ao anatintsika i Kristy? Ahoana no hahafantarantsika fa mitranga amintsika izany? Ahoana no hisorohantsika ny fahadisoam-panantenana rehefa tsy mitranga haingana araka izay aniriantsika azy izany?

Famintinana: Nilaza tohan-kevitra mahery vaika marobe mikasika ny fahamarinana i Paoly, saingy amin’izao kosa dia fangatahana manokana avy amin’ny fo no ataony. Mitalaho amin’ny Galatianina izy mba hihainoan’ireo ny teny feno fahendrena ataony. Ampahatsiahiviny azy ireo ny fifandraisana tsara nananany tamin’izy ireo fahiny. Ampahatsiahiviny azy ny fitiavany azy ireo lalina sy ny fiahiany azy amin’ny maha-raiamandreny ara-panahy azy.

 Pejy ambony